• Resin'i Ghana ny Barean'i Madagasikara alina, anatin'ny lalao fifanintsanana Mondial 2026. Mbola laharana faharoa vonjimaika ao amin'ny Vondrona I isika, na eo aza izany... • Olona telo no maty, vokatry ny fiavian'ny oram-be niteraka tondra-drano teto Antananarivo, ny faran'ny herinandro teo. Mahatratra 9.761 ny isan'ny traboina, araka ny tatitra avy amin'ny BNGRC... • Mbola miato ny fampianarana eny amin'ny CISCO Atsimondrano ho an'ny anio amin'ny ZAP maromaro, noho ny mbola fiakaran'ny rano. Toa izany koa ho an'ny ZAP sy ny sekoly maromaro ho an'ny CISCO Ambohidratrimo...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...