♦ Nosazian'ny Fitsaràna ireo olona telo voasambotra nandritra ny lanonana fametrahana samboady ireo ben'ny tanàna any amin'ny Distrikan'i Vatomandry. Anisan'izany ny mpiara-miasa amin'ny Solombavambahoaka Sophie Ratsiraka... ♦ Mandrisika ny hitakiana ireo "Îles éparses" ho an'i Madagasikara amin'ny fahatongavan'ny filoha Frantsay eto ny antoko V.H.T. Izany no tokony atao raha tena tia tanindrazana ny filoham-pirenena Malagasy, hoy ny mpitarika ity antoko ity... ♦ Hiparitaka ny mpitandro filaminana, mandritra izao fiatrehana ny Herinandro Masina izao sy ho fiomanana amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...