♦ Nahitàna fitombony 3,31% ireo mpifidy voasoratra anarana taorian'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ho an'ny taona 2024-2025 (RALE), araka ny fampitam-baovaon'ny CENI... ♦ Tsy ampy ireo mpiasa eo anivon'ny sampandraharaha misahana ny famerenana amin'ny Fanjakàna ireo harena azo tsy ara-dalàna (ARAI). Voafetra koa ny vola ampiasainy satria tokana ny mpamatsy vola azy sy ny SAMIFIN, CSI ary PAC... ♦ Zava-dehibe ary efa fiomanana sahady amin'ny taranja ara-panatanjahantena amin'ny fanadinana Bakalôrea ny EPS BEPC... ♦ Nigadona alina tao Luanda ny filoha Gabonais teo aloha Ali Bongo sy ny fianakaviany...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...