• Mikasa ny hanomana atrikasa iarahana amin'ireo mpisehatra amin'ny fifidianana ny CENI, mialoha ny hitondrany sosonkevitra hanatsarana ny fifidianana... • Mijoro, hanohitra amin'ny amabran'isy ireo ho tsy rariny sy fanamparam-pahefana ataon'olon-tokana ao amin'ny Distrikan'i Betroka, ny fikambanan'ny Zanak'i Betroka Miray na ny FIZABEMI... • Olona 20 no voamarina famaty tao amin'ny Distrikan'Ikongo. Andrasana ny vokatry ny fitikiana sy ny fanadihadiana ny antony nahafaty azy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...