♦ Fanoitra lehibe ho an'ny orinasa sy ny fampandrosoana ara-toe-karena ny lafiny angovo, isany navoitran'ireo mpandraharaha nandray anjara tamin'ny fikaonan-doha iraisam-pirenena Malagasy sy Dubaï io, nandritra ny fihaonan'izy ireo tamin'ny filoha Rajoelina Andry... ♦ Hotanterahana eny amin'ny tokontany malalaky ny ESCA Antanimena, amin'ny zoma ho avy izao ny Andron'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ La vanille hatrany amin'ny 3.000 taonina no andrasana mandritra ny taom-piotazana 2025 ao amin'ny Faritra Sofia, ny 14 jona ho avy izao moa no hisokafan'izay taom-piotazana izay ary tsy hifarana raha tsy ny volona nôvambra...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...