♦ Hifanaretsaka ireo mpampiasa lalana hijery ny Afomanga hanamarihana ny fetim-pirenena ety Ivato rahampitso hariva. Misy ireo fandaminana samihafa momba izany, araka ny nambaran'ny tompon'andraikitra... ♦ Namoaka fanambaràna ny sehatry ny raiamandreny na ny SERA amin'izao mialoha ny dinika momba ny "îles éparses" any Paris Frantsa izao. Lavina marindrano ny hevitra fiaraha-mitantana hoy izy ireo... ♦ Nanitsy ny vaovao navoaky ny JIRAMA ny orinasa Symbion fa tsy simba akory ny milina mpamokatra herinaratr'izy ireo ka nambara fa mampisy ny delestazy... ♦ Nodarohan'i Iran missile omaly hariva ny tobim-pamaharan'ny tafika amerikana Al Odeid any Qatar...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...