♦ Olona 7 isa indray no matin'ny fahapoizinana ara-tsakafo any Ambositra. Sakafo nohanin'ny fianakaviana noho ny hafaliana fahavitàna Kôminio Voalohany no nahatonga izao loza izao... ♦ Mpitandro ny filaminana 4.000 isa no hahetsika rahampitso mandritra ny fandefasana ny Afomanga etsy amin'ny Lac Iarivo Ivato. Tsy ho latsak'izany koa ireo hanao hetsika eny Mahamasina amin'ny 26 jona izao... ♦ Niaka-bidy indray ny lafarinina eto Madagasikara tato ho ato. Tafakatra any aho an'ny amin'ny 240.000Ariary ny iray gony amin'izao. Sarotra ny fahitàna lafarinina ho vidiana hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...