• Volavolan-dalana miisa 13, niampy tolo-dalana miisa 6 no lany teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza, nandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany, izay nifarana androany... • Mitaky ny fialan'ireo minisitra tsy mahavita ny andraikiny, ny antoko Malagasy Tonga Saina na MTS. Isan'izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... • Tafajoro ny vovonana marolafy “Miaradia”, mba ho fiomanana sy hanalefahana ny voka-drasty ateraky ny fiovan'ny toetrandro eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...