• Herinandro tao aorian'ny fitakiany, tsy afapo amin'ny valintenin'ny fitondrana ny tambaben'ny mpiara-miasan'ny Jirama. Hitokona izy ireo manomboka rahampitso, araka ny fanambarana androany... • Ben'ny Tanana miisa 45  aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana no mivory eto an-drenivohitra. Mizara traikefa sy fahaiza-manao momba ny hetra sy ny fizakan-tena ary ny fampandrosoana ara-toekarena, eny anivon'ny kaominina izy ireo... • Efa miaina ny voka-dratsin'ny fiovan'ny toetrandro ireo kaominina manamorona ny lalam-pirenena fahatelo, ka nanangana tetikasa hiatrehana izany fiovan'ny toetrandro izany, miaraka amin'ny fikambanana samihafa ao aminy...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...