♦ Tsy nampihemotra ny mpiasan'ny JIRAMA tsy hitokona omaly ny didy fanerena niasa nosoniavin'ny Ministry ny Angovo sy ny Ankoran'Afo. Manome 24 ora ny filohan'ny Repoblika ny mpiasa mitokona hamaha ny olan'ny orinasa... ♦ Nohamafisin'ny valin'ny fitiliana ny singa nalefa tany Frantsa fa nisy poizina mahery vaika ny sakafo nohanin'ireo olona nanatrika ilay fanasana nahafatesana olona 28 teny Imerinkasinina... ♦ Azo ovaina ny lalam-panorenana raha toa izay no mahasoa ny firenena hoy ny sekretera jeneralin'ny vovonana IFI, ny mpitandrina Nestor Razafindramanitra... ♦ Nanaiky ny hanafaka takalon'aina israeliana miisa 10 ny vondrona Hamas...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...