• Hihatra ny TVA 20 % amin'ny zana-bola ampiharina amin'ireo mpisambo-bola, saingy tsy ny mpisambo-bola rehetra no hiharan'izany, araka ny tinapaky ny Filankevitry ny Minisitra tany Sainte Marie... • Efa miroso sahady amin'ny fampielezan-kevitra hankatoavana ny fe-potoam-piasana fahatelon'ny Filoha ankehitriny ny fitondrana, hoy i Alain Andriamiseza... • Tafavoaka ao anatin'ny lisitry ny vakoka iraisam-pirenena tandindonin-doza ny ala mando ao Atsinanana, araka ny fanambarana ofisialin'ny UNESCO...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...