♦ Niampy iray indray ireo olona namoy ny ainy, tamin'ilay fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza. Tafakatra 29 izany izao ireo maty tamin'ity raharaha ity... ♦ Havaozina ny seranam-piaramanidina ho an'ny sidina anatiny ety Ivato. Handanian'ny Ravinal Airports vola hatrany amin'ny 1,6 tapitrisa Euro izany fanavaozana izany, izay kendrena ho vita, mialohan'ny faran'ny taona...  ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka milaza ny fahitana ilay sambo A.W izay tsy hita popoka hatramin'izao ny MInistry ny Fitanterana. Nihaona tamin'ny fianakavian'ireo mpandeha tao amin'io sambo io tao Mahajanga izy... ♦ Antenaina hilamina amin'ny herinandro ho avy io ny ady misy amin'ny Palestiniana sy ny Israeliana any Gaza...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...