♦ Vidin'ny la vanille maitso : Tafidina hatrany amin'ny 400 Ariary ny kilao aminà Faritra sasany eto Madagasikara, raha ny antso avo nataon'ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Tsy tokony ho sakana amin'ny fanoloana ny toeran'ireo ben'ny tanàna maty ny resaka raharaham-pitsarana mbola mandeha hoy ny Kmf/Cnoe... ♦ Lalao hiatrehana ny "Coupe du monde 2026" : anio no hihaona amin'ny ekipa-pirenena Centrafrique ny Barea an'i Madagasikara anatin'ny anro fahafiton'ny fifanitsanana... ♦ Ady any Gaza : olona maherin'ny 60 indray no fantatra fa namoy ny ainy tao Bande de Gaza taorian'ny fanafihana nataon'ny tafika Israeliana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...