♦ Miitatra adiny-4 farafahakeliny ny delestazy eto Antananarivo ankehitriny. Miantraika amin'ny mpiasan'ny orinasa izany hoy ny Randrana Sendikaly ka maro ireo alefan'ny mpampiasa anaty fiatoana ara-teknika... ♦ Feno roa volana sy 20 andro androany no tsy hita popoka ilay Sambo AW, niainga tao Mahajanga ho any Comores. Mbola mitohy ny fikarohana hoy ny tae jeneralin'ny APMF raha nanontanian'ny mpanao gazety omaly... ♦ Isa 9 sisa tadiavin'ny Barea dia mety handray anjara amin'ny Mondial 2026. Lalao manaraka mila hakàna fandresena ny fihaonana amin'ny Tchad ny alatsinainy hariva izao...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...