♦ Nitondra fanazavàna ny teo anivon'ny CENI momba ny datin'ny 11 desambra izay nambaran'ny HCC fa azo anaovana ny fifidianana Loholona. Ny Governemanta ihany anefa no mamoaka ny fankatoavana hoy ity Vaomiera mpikarakara ny fifidianana ity... ♦ Nalefa hotsaboina atsy Maurice ny iray amin'ireo olona miiisa 7, sisa velona tamin'ilay raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza. Niainga omaly tety Ivato ny fiaramanidina nitondra azy... ♦ Tovovavy iray miasa amin'ny orinasa afak'haba eto Antananarivo no afa-jaza kambana, noho ny harerahana amin'ny asany. Nitaraina momba ny nahazo azy amin'ny sehatry ny asa izao ity mpiasa iray ity... 

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...