♦ Mampametra-panontaniana ny lanjan'ny didim-pitsaràna miainga amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena hoy ny ONG Tolotsoa, raha naneho hevitra amin'ny tsy fahavitan'ny fifidianana any amin'ireo kaominina nodidin'ny Fitsaràna... ♦ 200 isan'andro eo ireo mpianatra mandalo, maka hevitra sy mividy ny antontantaratasy ilaina amin'ny fianarana ho an'ny Fakiolten'ny teny aman-tsoratra sy ny siansa maha-olona (FLSH). Miankina amin'ny fitsapam-pahaizana ny handraisana ireo ao amin'ny taona voalohany... ♦ Sendika TRIADE : misy ireo antony nananganana ny sendika, hivondronan'ireo mpiasan'ny fahasalamam-bahoaka...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...