♦ Manao ny ady sisika mba hanohizana ny tsenambarotra AGOA i Madagasikara. Nisy ankoatra izay ny famolavolana ny paik'ady nasionaly ho fanatsarana fanondranana miainga eto Madagasikara... ♦ Tsara raha nitaha tamin'ny taona maro lasa ny voka-panadinana ho an'ny teny anivon'ny AKAMA 67Ha. Efa misokatra ho an'ny mpianatra rehetra ity sekoly ity ankehitriny... ♦ Nodoran'ny Fokonolona ny fatin'ilay lehilahy iray voalaza fa nanao sorona zazalahikely 7 taona tany Andilamena... ♦ Hanatanteraka fivoriana lehibe hamaritana ny ho tohin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ao Népal, anio zoma, ireo tompon'andraikitra any an-toerana...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...