• Tsy niandry ela fa nandefa fanampiana hamonjena ireo traboina an'arivony, vokatry ny hay trano nitranga tany Mananjary, ny fitondram-panjakana foibe amin'ny alalan'ny BNGRC... • Hitaky ny fialan'ny Lehiben'ny Distrika ny mponina ao amin'ny Distrikan'Arivonimamo rahampitso. Hetsika hotanterahana ao Imerintsiatosika, hotarihin'ireo Solombavam-bahoaka mirahalahy... • Firenena 40 aty Afrika no handray anjara amin'ilay Fihaonamben'ny Tanora Afrikana Mifandray, hotanterahana eo Madagasikara amin'ny volana novambra ho avy izao. Nandray ny Tale mpanatanteraky ny Youth Connect Africa, avy any Rwanda androany ny Minisitra Maroson Abdulah Moustapha...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...