♦ Mbola te hametraka foana ny fahefany eto Madagasikara i Lafrantsa hatramin'izao. Resaka tombontsoa no mbola mahatonga ny Frantsay misisika amin'ny raharahan'i Madagasikara hoy ny mpanao pôlitika iray... ♦ Natao fizahàm-pahasalamana ara-tsaina Andriamatoa Mamy Ravatomanga androany maraina, mialohan'ny hampidirana am-ponja azy indray... ♦ Mpiasa iray eo anivon'ny JIRAMA no tratra nanodinkodina ny volan'ny orinasa, taorian'ny fitsirihana natao. Voasazy hiasa an-tery vozona mandritra ny 5 taona, miampy fandoavana lamandy 40 tapitrisa ariary io mpiasa io... * Miha mahery vaika hatrany ny ady an-trano any Soudan, ankehitriny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...