• Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany, tetsy amin'ny CCI Ivato tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihan'ny Filoham-piangonana efatra ao amin'ny FFKM, ny Fikaonan-doham-pirenena, dinika ho an'ny Fanavaozana an'i Madagasikara... • Isan'ny nahazo fanasana tamin'ity fanokafana ny fikaonan-doha ity, ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, saingy tsy tonga niatrika izany izy. Nilaza ny mpanohitra fa tsy voaasa izy ireo, tsy tokony hisy fanavahana sy fitanilana ny dinika tahaka izao... • Nomarihana androny 10 desambra, ny Andro maneran-tany fiarovana ny Zon'olombelona, ka isan'ireo fikambanana nanamarika izany ny ONG HARI. Nisafidy ny nanentana ireo mpianatra teny Mahamasina izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...