♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ Mada andiany faha-11 horaisin'ny tanànan'i Toamasina. Namoaka hafatra ho an'ny tanora mifandraika amin'izany ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo... ♦ Namoahan'ny PAC Antananarivo didy fampisamborana iraisam-pirenena hafa indray Andriamatoa Mamy Ravatomanga, noho ny raharaha fanondrànana letchi. Olona 7 hafa ihany koa namoahan'ny Fitsaràna didy... ♦ Navaozina ny fifanarahana hitantanan'ny mpanazatra Corentin Martins ny Barean'i Madagasikara. Vita sonia ny sabotsy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa herin-taona tsy azo havaozina momba izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...