♦ Azo raisina ary voamarina ny fahabangan-toerana ao amin’ny birao maharitry ny CENI, taorian’ny fametraham-pialan’ireo mpikambana miisa 8, hoy ny Fitsaràna Avo momba ny Lalàm-panorenana… ♦ Mijanona ho sora-bola fotsiny aloha ny fampanantenana nataon’ireo firenena vahiny hatramin’izao, fa tsy mbola naharay ny fanampiana ara-bola avy amin’ireo ny BNGRC, birao nasiônaly misahana ny loza voajanahary, taorian’ny fiavin’ny rivodoza Gezani… ♦ Mitaky ny handravàna ny Société Municipale  d’Assainissement (SMA) eo anivon’ny Kaominina Antananarivo-renivohitra ireo mpiasa, niroso tamin’ny fitokonana mandritry ny fotoana tsy voafetra izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...