♦ Hijoro tsy ho ela ny governemanta. Vokatra no entina amin'ny vahoaka efa niaina fijaliana. Nasongadin'ny Praiministra vaovao ireo omaly, nandritra ny famindram-pitantanana teny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo, omaly... ♦ Mifanenjana ny tale jeneraly sy ny tale mpitantana ara-bola eo anivon'ny "Aviation Civile de Madagascar". Andrasana hotanteraka anio maraina ny famindran-draharaha tokony hataon'io tale io, taorian'ny zava-nisy omaly... ♦ Mitaky ny fanesorana ny tale ao amin'ny CEG Betsimitatatra 67 Ha ny mpampianatra sy ny mpanabe ary ny mpandraharaha ao an-toerana. Manome 48 ora ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hamaliana ny fitakiana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...