♦ Fanamby lehibe napetraky ny Filohan'ny Filan-kevi-panjakàna Rabarisoa Andrianaina ny hamoahana ao anatin'ny telo volana ny didim-pitsaràna momba ny fifanolanana ara-pifidianana Ben'ny Tanàna farany teo... ♦ Efa misy manova koa ankehitriny ny daty fara-fampiasàna ireo fanafody, araka ny tatitry ny Holafitry ny Farmasiana eto Madagasikara... ♦ Vary simba 13 kitapo no tra-tehaka teny Andravoahangy, nandritry ny fidinana ifotony nataon'ny ministera tompon'andraikitra... ♦ Latsa-danomaso ireo injeniera iraniana rehefa nanopimaso ilay tetezana nodarohan'ny amerikana baomba ; sivily 13 no namoy ny ainy tamin'ny firodanan'io tetezana io...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...