♦ Manentana ny kristiana rehetra eto amin'ny Arsidiôsezin'Antananarivo hiombom-bavaka ho an'ny fandriam-pahalemana maneran-tany i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, Eveka Mpanampy eto Antananarivo... ♦ Tsy misy ahiana ny famatsiana solika ho an'i Madagasikara ato anatin'ny roa volana ho avy, ho tonga amin'ny fiandohan'io herinandro ambony io ny sambo mpitarika solika, raha ny nambaran'ny Ministry ny Angovo sy Akoran'afo... ♦ Tsy mazava ny fepetra raisin'ny Fanjakàna amin'ny fampiharana ny amehana ara-angovo eto Madagasikara hoy ny mpanao pôlitika, Filoha Lefitry ny Antoko RPMU ato amin'ny Faritanin'Antananarivo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...