♦ Manentana ny kristiana rehetra eto amin'ny Arsidiôsezin'Antananarivo hiombom-bavaka ho an'ny fandriam-pahalemana maneran-tany i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, Eveka Mpanampy eto Antananarivo... ♦ Tsy misy ahiana ny famatsiana solika ho an'i Madagasikara ato anatin'ny roa volana ho avy, ho tonga amin'ny fiandohan'io herinandro ambony io ny sambo mpitarika solika, raha ny nambaran'ny Ministry ny Angovo sy Akoran'afo... ♦ Tsy mazava ny fepetra raisin'ny Fanjakàna amin'ny fampiharana ny amehana ara-angovo eto Madagasikara hoy ny mpanao pôlitika, Filoha Lefitry ny Antoko RPMU ato amin'ny Faritanin'Antananarivo...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...