• Natomboka androany tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny CCI Ivato ny Fikaonandoham-pirenenan'ny tanora ho an'ny Fanavaozana. Nalalaka tamin'ny fanehoan-kevitra ireo tanora nandray anjara... • Hivoaka tsy ho ela ny vatsim-pianaran'ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo. Nanome toky momba izany ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa... • Nanomboka androany ny hetsika "Asako rahampitso". Miisa 9 alina ireo tanora mpianatry ny lisea nisitraka izany nandrita ny 18 taona...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...