• Tanora roa hafa indray no nosamborina, noho ilay fihatsiketsehana ny herinandro teo, raha ny tatitry ny Collectif de Mouvement Gen Z, androany... • Toy ny lany olomanga i Madagasikara tamin'ny nanendrena PDS hitantana an'Antananarivo, hoy ny Sendika Mahaleotenan'ny Mpiasan'ny Kaominina. Naneho ny heviny tamin'ny mpanao gazety, izy ireo... • Mandray anjara amin'ny fivoriana lehibe isan-taona karakarain'ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena any Washington i Madagasikara. Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...