♦ Miantso ny Governemanta tena hiroso amin'ny fanavaozana ny Antenimieram-pirenena. Fanontaniana maro no napetrany momba ny fahaverezana volam-panjakàna tamin'ny sehatra samihafa... ♦ Tsy tongatonga ho azy ny nanendren'ny fitondran masoivoho Malagasy hiasa any ivelany farany teo, hoy ny mpandalina raharaham-pirenena iray. Anisan'izany ny nanendrena an'Andriamatoa Paraina Auguste eo anivon'ny vondrona Afrikàna... ♦ Tafakatra 4 ny isan'ireo olona matin'ny valan'aretina nendran-drajako eto Madagasikara. Zaza vao teraka iray tany amin'ny Faritra Boeny no matin'ny MPox ny faran'ny herinandro teo...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...