♦ Nodisoin'ny Ministry ny Fitsaràna ny filazàna fa tsy afaka nitsabo tena, tany amin'ny Fonja nitazonana azy Ramatoa Rinah Rakotomanga. Nanazava ny momba izay sy ny raharaha Naivo Raholdina ihany koa Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, omaly... ♦ Nametra-pialàna omaly ny ben'ny tanànan'ny Kaominina Antsirabe Ambonivohitra, noho ny ambarany fa fikatsahana fitoniana... ♦ Hisy ny fanomezana laharana tokana famantarana ho an'ny mpianatra anatin'ny tetik'asa Prodigy. Mpianatra maherin'ny 4.000.000 no voasoratra hatramin'ny faran'ny volana jona 2026...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...