• Tsy tanteraka ny fitakiana tamin'ny 1972, ary vao mainka miharatsy ny fitantanana ny firenena, hoy ny fikambanana “ Hetsika Mai 72”, raha nanatitra fehezam-boninkazo teo amin'ny Kianjan'ny 13 mey izy ireo androany... • Nihazo avy hatrany ny Repoblikan'i Congo androany, ny Filohan'ny Fanavaozana, Colonel Randrianirina Michaël mivady, taorian'ny fiatrehana ny Fihaonana an-tampony Afrikana, natao tany Nairobi Kenya... • Tsapa sy heno ny antsoantson'ny mponina amin'ny toerana sasany, momba ny olan'ny famatsian-drano amin'izao, hoy ny Minisitry ny Rano, Fidiovana sy Fahadiovana. Maro ny ezaka efa natao, sy mbola hatao amin'ireo tetikasa samihafa momba izay famatsiana rano izay...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...