• Nahazo Eveka Mpanampy vaovao ny ao amin'ny Diosezin'i Morondava. Notendren'ny Papa Léon faha-14 hisahana izany andraikitra izany i P. Jeannot Martial Andrianandrainy, Vikera Jeneraly ao amin'ny Diosezin'Antsirabe... • Nihaona teny Ambohitsorohitra omaly, ireo tompon'andraikitra ambony eto amin'ny firenena sy ireo Filoham-piangonana ao amin'ny FFKM. Namafisina nandritra izany fa ankinina amin'ny FFKM ny fitarihana ny fikaonandoham-pirenena... • Tsy isan'ireo tanana ahitana trangan'aretina Impox betsaka intsony i Mahajanaga nandritra ny volana iray. Niisa 18 ny tranga voamarina hita ny talata teo, araka ny tatitra nivoaka omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...