♦ Mbola tsy nodinihina teny amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanesorana ny tombon-jo ananan'ny solombavambahoaka Antoine Rajerison hoy ny Andriamatoa Fidèle Razara Pierre. Nambarany anefa fa azo atao tsara ny miroso amin'izany... ♦ Nisy fikorontanana ny famatsiana herinaratra tamin'ny tambajotra iraisan'Antananarivo. Nisy olana ny iray amin'ireo milina mpihary herinaratra eny Mandroseza, nanomboka omaly... ♦ Manao antso amin'ny solombavambahoaka mba hankatoa ny lalàna fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna ireo Tantsaha mpamboly "orge" any Vakinankaratra, hampihenàna ny hetra alaina amin'ny mpandray ny vokatra...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...