♦ Tsy tokony hihoatra ny herinandro ny fivoahan'ny valim-panadinana CEPE saingy miankina amin'ny fari-piadidim-pampianarana tsirairay anefa izany hoy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Namaly ny tsikera mahazo ireo solombavambahoaka ho mpananga-tanana fotsiny fa tsy mandinika ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna ny filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nohafahan'ny Fitsaràna ireo mpitsabo miisa enina, raha voasazy 18 volana an-tranomaizina sy handoa onitra 6.000.000 Ariary ilay mpampily ny fiara nitarika ny loza nahafaty ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabenirina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...