♦ Hifidy izay ho solontenany handrafitra ny Fitsaràna Avo momba ny  Lalàm-panorenana ny eny amin'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Nametra-pialana amin'ny maha mpanolontsaina avo azy Andriamatoa isany Georges Merlin Nandrasana sy Noelson William... ♦ An-jatony ireo orinasa afak'haba eto Madagasikara no tsy manaja sy tsy manana sata ara-dalàna amin'ny maha orinasa azy ka tsy maintsy handraisana fepetra hoy ny MInistry ny Indostria... ♦ Atahorana indray ny ho avin'ny CNaPs hoy ny Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa. Miverina indray ny fomba tsy nety fanao teo aloha amin'ny fitantanana ny vola ao aminy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...