♦ Mbola mila hamafisina ny fiaraha-miasan'ny Fanjakàna sy ny Firaisamonim-pirenena hiarovana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara. Isan'ny ezaka efa vita amin'ny fiarovana ny ankizy ny fisian'ny lalàna vaovao, izay efa lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Miantso ny Malagasy hanamafy ny sakana ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny MPox ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Napetraka ny haba 20% ho an'ny fanafarana vary ho famporisihana ny mpandraharaha hanangona ny voka-bary eto an-toerana sy handrisihana ny famokarana anatiny hoy Andriamatoa Ranarivelo Lucien, député an'i Tsiroanomandidy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...