♦ Nangataka an'i Mgr Andrianandraina Jeannot Martial tamin'ny Diôsezin'Antsirabe omaly ny Diôsezin'i Morondava. Izy izay notendren'ny Pape Léon-XIV ho Eveka mpanampy any Morondava... ♦ Nanome baiko ny mpitandro filaminana sy miantso firaisankina amin'ny vahoaka Malagasy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika manoloana ny fangalarana ankizy niseho tato ho ato izay. Namangy ny fianakavian'ireo very ka namoy aina ny Kôlônely Randrianirina Michaël omaly... ♦ Mamaramparana ny dingana natao tany amin'ny Faritra 24 eto amin'ny nosy ny kômity mpanomana ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tanora...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...