♦ Hiakatra fampanoavana anio alatsinainy 13 jolay 2026, ilay olona nisoloky ho mpanolontsaina ny Filohan'ny Fanavaozana, izay voasambotra ary nanaovana fanadihadiana teny amin'ny sampana fikarohana eloka be vava an'ny zandarimariam-pirenena Fiadanana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Ho vovaha tsy ho ela ny olana amin'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, izay simban'ny rivodoza Gezani dimy volana lasa izay. Fitaovana maromaro no efa tonga any an-toerana... ♦ Saika mitaky ny hisian'ny fifanarahana pôlitika hametrahana ny satan'ny tetezamita ny antoko pôlitika sy ny vovonana samihafa eto Madagasikara ankehitriny...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...