♦ Tanterahina amin'ity herinandro ity ny fanadinam-panjakàna hahazoana ny "Certificat d'Aptitude Professionnelle", hitohy hatramin'ny alakamisy 16 jolay izao. Miisa 1.397 ireo mpiadina miatraka ny CAP amin'ity taona ity... ♦ Notoloran'i Etazonia fanampiana ara-pahasalamana mitentina 2,2 tapitrisa Dolara i Madagasikara. Isan'izany ny lay misy odimoka, fitaovana ara-pahasalamana sy labaoratoara ary fitaovana Starlink miisa 33... ♦ Namaly ireo nanangana "comité ad'hoc" izay nilaza ny hitantana sy hanala azy amin'ny andraikiny ny Federasiôna karate malagasy... ♦ 38.000 mahery ireo mpifindramonina nompodiana niala tao Afrika-Atsimo...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...