♦ Malaza amin'ny resaka pôlitika indray ny hanitarana ny fe-potoana hitantanan'ny Fitondràna ankehitriny ny Firenena. 24 volana ihany no tokony ho faharetan'izao fitondrana izao hoy ny antoko Ilo Mada... ♦ Nanome toky ny ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony fa voafehy ny fiarovana ny laza adina Bakalôrea. Miantso ny rehetra ho mailo ho an'ireo milaza ho manana izany ny tompon'andraikitra... ♦ Sesilany ny "cours fara-doboka" rehefa akaiky fanadinana tahaka izao. Misy lafiratsiny izy ireny, hoy ireo mpampianatra mpanabe sasany... ♦ Mila vola hatrany amin'ny 1 miliara dôlara ny fanarenana ny faritr'i Gaza, potiky ny ady tao anatin'ny 2 taona...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...