♦ Tsy misy tombontsoan'ny Malagasy mihitsy ny fifanarahana amin'ireo orinasa tsy miankina mpamatsy herinaratra, raha dinihina amin'ny zava-misy any Antsiranana hoy ny vaomiera mpanadihadin'ny Antenimieram-pirenena momba ny raharaha JIRAMA... ♦ Misy olona misandoka ny anaran'ny fadintseranana Malagasy ka milaza fa manao lavanty fiarakodia any anaty tambazotra serasera FB, hoy ny tale jeneralin'ny fadintseranana, omaly... ♦ Manamafy ny fitakiana ny fandravàna ny rafitra CENI ny filohan'ny antoko MTS, Rolland Ratsiraka... ♦ Taorian'ny horohorontany tamin'ny 24 jona, tany Guaira Venezuela dia mbola nahitana fatin'olona 70 isa, omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...