• Ambany ny tahan'ny fampiasam-bolam-panjakana ho an'ny enimbolana voalohany ny taona 2026. Isan'ny fantatra izany androany nandritra ny fanaovana jery todika sy tombana amin'ny fanatanterahana ny teti-bolam-panjakana, tetsy amin'ny CCI Ivato... • Tsy maintsy mbola hidina an-dalambe ny Gen-Z, raha mbola mitohy ny fomba ratsy fanao ara-politika nisy teto amin'ny firenena... • Mitaky ny fialan'ny Tale misahana ny maha olona, sy ny tompon'andraikitra misahana ny “paramédicaux”, eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny mpiasan'ny fahasalamana mivondrona ao amin'ny sendika SISFM...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...