♦ Nofaranana tamin'ny sabotsy teo ny fikaonandohan'ny tanora sehatra Nasiônaly. Natolotra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny fehin-kevitra tamin'ny dinika nandritry ny 3andro. Hodinihana amin'ny Fikaonandoham-pirenena ny hevitra natolotry ny tanora momba ny Fanjakàna Federaly sy Fanjakàna tokana... ♦ Hisokatra amin'ny hery velona rehetra ny dinika pôlitika hotanterahana eto Madagasikara. Santatra ihany ny fihaonana tamin'ny Filoha roalahy teo aloha... ♦ Nampahafantatra ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny fisavàna natao tamin'ny toerana fivorian'ny fikambanana miafina iray ny teo anivon'ny Fitsaràna...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...