♦ Efa vonona tanteraka amin'ny fanaovana tantsoroka ny FFKM ny Minisitera misahana ny Fanavaozana. Hajoro tsy ho ela ny kômity teknika hiara hanomana ny fikaonandoham-pirenena, ka hanana solontena 6 amin'izany ny tanora hoy ny Minisitra Maître Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Tsy miditra amin'ny ady hevitra amin'ny hisafidianan'ny vahoaka ny lalam-panorenana mifototra amin'ny rafitra Federaly sy ny Fanjakàna tokana ny antoko Fy-M. Mbola fanomezana vahana ny zarazarao hanjakàna izany... ♦ Nijoalajoala ny afo alina tao amin'ny tsenan'i Bazary-kely. Potika 90% ity tsena ao Toamasina ity... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...