♦ Efa manomana ny fanadihadiana parlemantera momba ny fahaverezan'ny 4.000 miliara Ariary teo ho eo, tao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna ny Antenimieram-pirenena. Izay no nambaran'ny Filohan'ity andrim-panjakàna ity Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Mamolavola fandaharan'asa hampitomboana ny vokatra kafe eto Madagasikara sy hanatsaràna ny kalitaony ny ao amin'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo... ♦ Manao fivoriam-be ao Antsirabe nanomboka androany ary haharitra 3 andro ireo mpanao gazety mivondrona ao amin'ny RJSET. Dinihina ny fampahafantarana ny asa vaovao sahanin'ny fikambanana taona 2026-2027...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...