• Isan'ny nankalaza ny andro natokan'ny Eglizy hahatsiarovana ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, isaky ny 21 aogositra, ny Centre Maternel Infantile, na ny CMI, eny Maroroha TSimbazaza... • Tsy ara-dalana, ary tsy nahazo fahazoan-dalana hanorina ny asa eny amin'ny toby fiantsonan'ny Taxi-brousse Fasan'ny Karana, hoy ny Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra... • Tetikasa maromaro mahakasika ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra no hiarahana miasa amin'ny fitondrana sinoa. Hisitraka izany kaominina any amin'ny tapany atsimon'ny Distrikan'Ambohidratrimo sy ny kaominina roa any amin'ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...