♦ Nafindran'ny A.R.A.I tao amin'ny kaonty fitanana an'ny Fanjakàna ny volan'ny orinasa INJET noho ny fanatanterahana ny didim-pitsaràna navoakan'ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly (PAC) ny 19 aogositra 2026 teo... ♦ Fepetra vonjimaika noraisina hampiakarana ny famokarana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo ny fandatsahana orana artifisialy sy fanafarana fitaovana avy any ivelany hanamboarana ny fahasimbana ao amin'ny TAC1 ao Ambohimanambola... ♦ Mivadika ho herisetra sy fandratrana olona ny raharaha ady tany teo amin'ny mpitandrina iray sy ireo Fokonolona ao amin'ny Kaominina Ambatomanjaka...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...