♦ Manentana ny kristianina hirotsaka an-tsehatra sy hijoro amin'ny marina amin'ny raharaham-pirenena ny Evekan'Antsirabe. Nambarany fa tsy tokony hitazam-potsiny ny kristianina... ♦ Olom-panjakàna ambony 7.000 isa no tsy mbola nahavita fanambaram-panànana teny amin'ny bianco hatramin'izao. Hiroso amin'ny fanasaziana ny Birao Mahaleontena Iadiana amin'ny Kolikoly, amin'ny taona 2027... ♦ Mandroso ny asa fanatsarana ny fanarian-drano ao Antananarivo anatin'ny tetik'asa PIAA andiany faharoa. Efa any amin'ny 25% ka hatrany amin'ny 33% amin'ny asa no vita ho an'ireo asa roa efa mandeha...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...