♦ Fisandohana andraikitra no nataon'ireo mitonona ho solontenan'ny KFIM kanefa tsy manana fanomezam-pahefana araka ny nambaran'ny Filoha nasiônaliny Elia Rabevahiny. Tsy nisy fiovana ny birao nasionalin'ny KFIM...  ♦ Mbola tsy mandray ny asany 10 volana taorian'ny nandraisana azy ho mpiasam-panjakàna ireo tanora nisitraka izany eo anivon'ny minisiteran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa... ♦ Nahazo fitaovana avy amin'ny INBAR sy ny fiaraha-miasa Sinoa ireo mpanao asa tanana vita amin'ny volobe mivondrona ao amin'ny AFIMA eny Ambilanibe-Andavamamba, Antananarivo, entina hiantsehatra amin'ny tsena... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...