♦ Hihaona amin'ny tompon'andraikitry ny fampianarana tsy miankina indray ny ao amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena hidinika ny fomba hanatsaràna ny rafitra sy ny fanomanana ny fanadinana amin'ity taona ity. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny taom-panabeazana vaovao ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hiakatra fitsaràna tsy ho ela ireo voakasika tamin'ilay raharaha namoahana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna teratany sinoa miisa 11... ♦ Mitsipaka marindrano ny filazan'ny mpanolontsaina teknikan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny antoko KINTANA ; filazana fa isan'ireo mikasa hanongam-panjakana Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...