♦ Nomelohin'ny Fitsaràna higadra 10 taona an-tranomaizina noho ny fanaparam-pahefana ny solombavambahoaka Naivo Raholidina, araka ny didy nivoaka ny maraina teo... ♦ Mbola tsy hiala amin'ireo orinasa tsy miankina mivarotra herinaratra aminy aloha ny JIRAMA, hoy ny Tale Jeneraly. Nambarany fa mbola handaniana vola betsaka indrindra eo anivon'ny orinasa ny famokarana hatramin'izao... ♦ Tombanana hahazo vahana tanteraka ny volon'andro fahavaratra, saika manerana ny Nosy amin'ity herinandro ity. Miantso ny rehetra handray fepetra ny météo, manoloana ny mety hisian'ny rotsak'orana mifanesy...